Mascotte Ravi
Disciplines:

Mot du Ministre des Sports

Philémon Michel RABARISON

En mon nom et au nom du Ministère de la Jeunesse et des Sports, recevez chers lecteurs l’expression de nos salutations.

Le Sport figure parmi les priorités du gouvernement malgache dans le programme Madagascar Action Plan (MAP). Ceci en raison de l’esprit de combativité que le sport véhicule pour la jeunesse malgache. La 7ème édition des jeux des îles de l’Océan Indien est le grand challenge de cette année 2007.Etant donner que ces jeux se dérouleront à Madagascar, nous, malgache devront être les premiers concernés. Nous devons unir notre énergie pour atteindre cet objectif et que Madagascar puisse être le phare de ces jeux des îles.

Soutenons ensemble nos athlètes en vue de ces jeux. N’hésitons à aucun moment à manifester notre « fihavanana » légendaire.

Aussi, je fais appel à tous; sans exception; à exprimer la solidarité en le clamant par l’hymne officielle de ces jeux des îles de l’Océan Indien « BEMIRAY ».


Miarahaba ny vahoaka Malagasy ary mirary soa sy fahombiazana ho an’ny tsirairay ny Ministeran’ny fanatanjahantena, izay entiko teny etoana.

Isany laharam-pahamehana ao amin’ny fandaharan’ny fanjakana Malagasy izay voarakitra ao anatin’ny Madagasikara Am-perin’asa na ny MAP ny fanatanjahantena. Ny anton’izany dia noho izy mampivoatra toe-tsaina mavitrika eo amin’ny tanora Malagasy.

Eo amin’ny lafin’ny fanatanjahantena dia Lalaon’ny Nosy andiany fahafito no fanamby voalohany sy tena manan-danja indrindra mandritra ity taona 2007 ity. Ary satria eto Madagasikara no hotanterahina izany, dia tsy maintsy voalohan-daharana isika Malagasy.

Ilaina tokoa ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba afahantsika mahatratra miaraka izany tanjona izany, ho voninahitr’i Madagasikara.

Efa antomotra tokoa ilay fotoana manan-tantara ho an’ny firenena Malagasy. Koa aoka isika tsy hisalasala instony fa hifanome tanàna sy hanohana ireo atletantsika Malagasy, satria izy ireo no hiatrika mivantana ity Lalaon’ny Nosy 2007 ity.

Manainga ny rehetra haneho ilay fiaraha-mientana, amin’ny alalan’ny firedonana ny hira faneva “BEMIRAY”

©Copyright COJI 2007,Tous droits reservés